Micah 4:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny mandringa no havelako ho sisa, ary izay noroahina lavitra no ho firenena matanjaka. NY TOMPO hanjaka aminy ao amin’ny tendrombohitra Ziona manomboka amin’izany ka ho mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mandringa hataoko ho sisa, ary ny lasa lavitra ho firenena mahery; ka i Iaveh hanjaka amin’izy ireo ao an-tendrombohitra Siôna hatramin’izay ka ho mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny saozanina sisa tavela hataoko mahery, ireo voasesitany hataoko firenena matanjaka. Ka Izaho TOMPO no hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Tsiôna, hatrizao ka ho mandrakizay.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mandringa no hapetrako ho sisa, Ary izay noroahina lavitra ho firenena mahery; Ary Jehovah hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Ziona Hatramin'izany ka ho mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny mandringa no havelako ho sisa, ary izay noroahina lavitra no ho firenena matanjaka. NY TOMPO hanjaka aminy ao amin’ny tendrombohitra Ziona* manomboka amin’izany ka ho mandrakizay.
malagasy
Ary ny mandringa no hapetrako ho sisa, Ary izay noroahina lavitra ho firenena mahery; Ary Jehovah hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Ziona Hatramin'izany ka ho mandrakizay.