Micah 5:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ianao, ry Betlehema Efrata, izay kely tsy tokony ho isan’ny arivon’i Joda akory, avy ao aminao no hivoahan’ny iray ho mpitondra ho Ahy ao amin’ny Israely; hatry ny fahagola no niaviany, dia hatrizay hatrizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianao, ry Betleema Efratà, kely tsy tokony ho isan’ireo arivon’i Jodà akory, avy aminao no hivoaka ho Ahy ilay tsy maintsy ho Mpanapaka amin’i Israely, ary ny niandohany dia efa hatramin’ny andro fahagola, hatramin’ny andro mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny Tompo hoe: «Ianao, ry Betlehema Efratà, isan’ireo tanàna kely indrindra ao Joda ianao! Kanefa avy aminao no hamoahako ilay ho Mpanjaka an’i Israely. Efa hatramin’ny fahagola no niandohany, dia hatramin’ny andro taloha elabe.»
Malagasy Bible 1865
Fa ianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan'ny arivon'i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan'Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin'ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ianao, ry Betlehema Efrata, izay kely tsy tokony ho isan’ny arivon’i Joda akory, avy ao aminao no hivoahan’ny iray ho mpitondra ho Ahy ao amin’ny Israely; hatry ny fahagola no niaviany, dia hatrizay hatrizay.
malagasy
[Ny hahaterahan'ny Mesia, sy ny ho toetry ny fanjakany] Fa ianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan'ny arivon'i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan'Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin'ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay.