Micah 5:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin’ny herin’NY TOMPO sy amin’ny voninahitry ny anaran’NY TOMPO Andriamaniny ka handry fehizay ireny, fa hatramin’izao Izy dia ho lehibe hatrany amin’ny faran’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho mafy fijoro izy, ka hiandry ny ondriny, amin’ny herin’i Iaveh, amin’ny fiandrianan’ny Anaran’i Iaveh Andriamaniny; ary handry feizay ny olona, fa ho lehibe izy amin’izay, hatrany amin’ny faran’ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hitsangana hitondra ny vahoaka izany mpanapaka nampanantenaina izany, hombàn’ny hery sy heniky ny famirapiratana avy amin’ny TOMPO Andriamaniny. Dia handry feizay ny vahoakany, satria ho lehibe hatrany am-paran’ny tany izany mpanapaka izany:
Malagasy Bible 1865
Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin'ny herin'i Jehovah. Sy amin'ny voninahitry ny anaran'i Jehovah Andriamaniny, Ka handry fahizay ireny, Fa izao dia ho lehibe hatrany amin'ny faran'ny tany Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin’ny herin’NY TOMPO sy amin’ny voninahitry ny anaran’NY TOMPO Andriamaniny ka handry fehizay ireny, fa hatramin’izao Izy dia ho lehibe hatrany amin’ny faran’ny tany.
malagasy