Micah 5:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izay sisa amin’i Jakoba ao amin’ny firenena maro dia ho tahaka ny ando avy amin’NY TOMPO, tahaka ny ranonorana eny amin’ny ahitra, izay tsy manantena na inona na inona avy amin’ny olona, na miandry zavatra avy amin’ny zanak’olombelona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny sisa amin’i Jakôba, any amin’ny firenena maro, ho toy ny ando avy any amin’i Iaveh, toy ny orana mipitipitika milatsaka amin’ny ahi-maitso; izy tsy miandry izay olona akory, na matoky ny zanak’olombelona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izay ny sisa velona amin’ny taranak’i Jakôba, eo anivon’ny vahoaka marobe, dia ho tahaka ny ando avy amin’ny TOMPO sy ho tahaka ny ranonorana latsaka amin’ny ahitra; ka tsy olombelona fa Andriamanitra no antenainy sy iankinany.
Malagasy Bible 1865
Ary izay sisa amin'i Jakoba ao amin'ny firenena maro Dia ho tahaka ny ando avy amin'i Jehovah, Sy tahaka ny ranonorana eny amin'ny ahitra, Izay tsy manantena mpaniraka, Na miandry zanak'olombelona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary izay sisa amin'i Jakoba ao amin'ny firenena maro Dia ho tahaka ny ando avy amin'i Jehovah, Sy tahaka ny ranonorana eny amin'ny ahitra, Izay tsy manantena mpaniraka, Na miandry zanak'olombelona.