Micah 5:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izay sisa amin’i Jakoba any amin’ny Jentilisa, any amin’ny firenena maro, dia ho tahaka ny liona amin’ny biby any an’ala sy ho tahaka ny liona tanora ao amin’ny andian’ondry aman’osy: Raha mamakivaky ao izy dia manitsakitsaka sy mamiravira nefa tsy misy manafaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny sisa amin’i Jakôba, any amin’ny firenena, eo afovoan’ny vahoaka maro, dia ho toy ny liona eo amin’ny biby any an’ala, ho toy ny liona tanora eo amin’ny andian’ondry; ka raha mandalo sy manosihosy ary mamiravira izy, tsy misy mahavonjy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izay, ny sisa velona amin’ny taranak’i Jakôba, eo anivon’ny vahoaka marobe any amin’ny firenen-kafa, dia ho tahaka ny liona mihaza amin’ny biby anaty ala sy ho tahaka ny liona tanora mihaza amin’ny andian’ondry; rehefa mandalo ny liona, dia manosihosy sy mamiravira, ka tsy misy afaka mamonjy.
Malagasy Bible 1865
Ary izay sisa amin'i Jakoba ao amin'ny jentilisa, Ao amin'ny firenena maro, Dia ho tahaka ny liona amin'ny biby any an'ala, Sy ho tahaka ny liona tanora ao amin'ny andian'ny ondry aman'osy: Raha mamaky eo izy, dia manitsakitsaka sy mamiravira, ka tsy misy mahavonjy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izay sisa amin’i Jakoba any amin’ny Jentilisa*, any amin’ny firenena maro, dia ho tahaka ny liona amin’ny biby any an’ala sy ho tahaka ny liona tanora ao amin’ny andian’ondry aman’osy: Raha mamakivaky ao izy dia manitsakitsaka sy mamiravira nefa tsy misy manafaka.
malagasy
Ary izay sisa amin'i Jakoba ao amin'ny jentilisa, Ao amin'ny firenena maro, Dia ho tahaka ny liona amin'ny biby any an'ala, Sy ho tahaka ny liona tanora ao amin'ny andian'ny ondry aman'osy: Raha mamaky eo izy, dia manitsakitsaka sy mamiravira, ka tsy misy mahavonjy.