Micah 6:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miangavy anareo aho, mihainoa izay lazain’NY TOMPO: Mitsangàna, mandahara eo anoloan’ny tendrombohitra, ary aoka ho ren’ny havoana ny feonao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mihainoa àry izay lazain’i Iaveh ianareo: - Mitsangàna ianao ary ataovy vita ny adinao eo anoloan’ny tendrombohitra, ary aoka ny havoana handre ny feonao!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Mitsangàna Ianao, ry TOMPO! Mandahara eo anoloan’ny tendrombohitra.» Mihainoa ny adin’ny TOMPO, ianareo ry tendrombohitra sy ianareo ry fanorena-matezan’ny tany, fa manana ady amin’ny vahoakany ny TOMPO; ny Israelita no ifandaharany. Henoinareo àry izay lazain’ny TOMPO:
Malagasy Bible 1865
Masìna ianareo, mihainoa izay lazain'i Jehovah: Mitsangàna, mandahara eo anoloan'ny tendrombohitra, Ary aoka ho ren'ny havoana ny feonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Miangavy anareo aho, mihainoa izay lazain’NY TOMPO: Mitsangàna, mandahara eo anoloan’ny tendrombohitra, ary aoka ho ren’ny havoana ny feonao!
malagasy
[Teny fampibebahana ny Isiraely] Masìna ianareo, mihainoa izay lazain'i Jehovah: Mitsangàna, mandahara eo anoloan'ny tendrombohitra, Ary aoka ho ren'ny havoana ny feonao.