Micah 6:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ianao dia hihinana nefa tsy ho voky, fa mbola ho ao anatinao ihany ny hanoananao; hanokana ho tahiry ianao nefa tsy hahita toerana azo antoka hasiana azy, ary izay sendra voatahirinao aza dia hatolotro ho amin’ny sabatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hihinana ianao, nefa tsy ho voky, ary ho ao anatinao ny hanoanana; hahatakao lavitra ihany nefa tsy hisy hovonjenao na inona na inona, ary na izay voavonjinao aza, hatolotrao ny sabatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hihinana ianareo nefa tsy ho voky, fa mbola eo aminareo ihany ny mosary, Hampirina ianareo nefa tsy hahatahiry; ary izay voatahirinareo aza dia holevoniko amin’ny ady.
Malagasy Bible 1865
Hianao hihinana, nefa tsy ho voky, Fa mbola ho ao anatinao ihany ny fahanoananao; Hampirina ianao, nefa tsy hahavonjy, Ary izay voavonjinao aza dia hatolotro ho amin'ny sabatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Hianao hihinana, nefa tsy ho voky, Fa mbola ho ao anatinao ihany ny fahanoananao; Hampirina ianao, nefa tsy hahavonjy, Ary izay voavonjinao aza dia hatolotro ho amin'ny sabatra.