Micah 6:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa fatra-pitandrina ny lalànan’i Omry sy ny asan’ny taranak’i Ahaba rehetra ianareo, sady manaraka ny toroheviny; noho izany no hanolorako anao ho amin’ny faharavana ary ny mponina ao aminao dia ho zavatra mampisitrisitra ka hitondra ny latsan’ny oloko ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mitandrina ny fitsipik’i Amrì ny olona, mbamin’ny fanaon’ny taranak’i Akaba rehetra, ary mandeha araka ny toroheviny ianareo, mba hanolorako anareo amin’ny fandringanana, ary ny mponina amin’ny tany, ho amin’ny fisitrisìrana, ka hivesaranareo ny latsan’ny vahoakako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa tandremanareo fatratra ny ohatra ratsy nasehon’i Hômrỳ mpanjaka sy ny fihetsiky ry i Ahaba mianakavy, ka narahinareo ny fomba amam-panaony. Noho izany, dia hatolotro horavana ity renivohitrareo ity ary ho fihomehezana ianareo mponina ao aminy; ka ianareo no hitondra ny latsa mianjady amin’ny vahoakako.»
Malagasy Bible 1865
Fa fatra-pitandrina ny lalàn'i Omry Sy ny asan'ny taranak'i Ahaba rehetra ianareo Sady manaraka ny fisainany, Mba hanolorako anao ho figagana, Ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, Ka dia hitondra ny latsan'ny oloko ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa fatra-pitandrina ny lalànan’i Omry sy ny asan’ny taranak’i Ahaba rehetra ianareo, sady manaraka ny toroheviny; noho izany no hanolorako anao ho amin’ny faharavana ary ny mponina ao aminao dia ho zavatra mampisitrisitra ka hitondra ny latsan’ny oloko ianareo.
malagasy