Micah 7:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lozako! Fa efa toy ny mpioty voankazo aho ary toy ny mpitsimpom-boaloboka: Tsy misy salohy hohanina, na aviavy mialin-taona izay mampilendalenda ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indrisy! Ity izaho toy ny rehefa vita ny fitoazam-boankazo fahavaratra, toy ny rehefa vita ny fitsimponam-boaloboka efa voaoty: tsy misy salohy iray akory hohanina! Ny voaloham-boan’aviavy, izay tsiriritin’ny fanahiko, tsy misy na iray aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indrisy, tahaka ny olona mioty aviavy aorian’ny fiotazam-boankazo aho ka tsy mahita aviavy masaka ifotony izay ankafiziko tokoa; ary tahaka ny olona mitsimpona sampaho aorian’ny fiotazam-boaloboka aho, ka tsy mahita voaloboka firy hohanina!
Malagasy Bible 1865
Lozako! fa efa tonga toy ny fiotazam-boankazo aho Sy toy ny fitsimponam-boaloboka, Tsy misy salohy hohanina, Na aviavy mialin-taona, izay irin'ny fanahiko,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lozako! Fa efa toy ny mpioty voankazo aho ary toy ny mpitsimpom-boaloboka: Tsy misy salohy hohanina, na aviavy mialin-taona izay mampilendalenda ahy.
malagasy
[Ny faharatsian'ny Isiraely, sy ny hanjo azy, ary ny hibebahany, sy ny hamindran'Andriamanitra fo aminy] Lozako! fa efa tonga toy ny fiotazam-boankazo aho Sy toy ny fitsimponam-boaloboka, Tsy misy salohy hohanina, Na aviavy mialin-taona, izay irin'ny fanahiko,