Micah 7:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia hanatona anao koa ny olona avy any Asiria sy avy any amin’ny tanànan’i Ejipta; eny, hatrany Ejipta ka hatrany amin’ny ony Eofrata, avy amin’ny ranomasina iray ka hatramin’ny ranomasina iray hafa, avy amin’ny tendrombohitra iray ka hatramin’ny tendrombohitra iray hafa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany, ho tonga hatraty aminao ny olona, avy any Asiria sy avy any amin’ireo tanànan’i Ejipta avy any Ejipta, ka hatrany amin’ny ony, hatramin’ny ranomasina iray ka hatramin’ny ranomasina hafa, ary hatramin’ny tendrombohitra iray, ka hatramin’ny tendrombohitra hafa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany, dia hiverina ho aminao ny mpiray tanindrazana rehetra hatreo Asiria ka hatrany Ejipta, hatreo Tiro ka hatrany Eofrata, hatreo amin’ny ranomasina iray ka hatrany amin’ny ranomasina hafa, hatreo amin’ny tendrombohitra iray ka hatrany amin’ny tendrombohitra hafa.
Malagasy Bible 1865
Amin'izany andro izany koa dia hanatona anao ny olona Avy any Asyria sy avy any amin'ny tanànan'i Egypta, Eny, hatrany Egypta ka hatramin'ny Ony, Ary hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, Ary hatramin'ny tendrombohitra ka hatramin'ny tendrombohitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany dia hanatona anao koa ny olona avy any Asiria sy avy any amin’ny tanànan’i Ejipta; eny, hatrany Ejipta ka hatrany amin’ny ony Eofrata, avy amin’ny ranomasina iray ka hatramin’ny ranomasina iray hafa, avy amin’ny tendrombohitra iray ka hatramin’ny tendrombohitra iray hafa.
malagasy
Amin'izany andro izany koa dia hanatona anao ny olona Avy any Asyria sy avy any amin'ny tanànan'i Egypta, Eny, hatrany Egypta ka hatramin'ny Ony, Ary hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, Ary hatramin'ny tendrombohitra ka hatramin'ny tendrombohitra.[Heb. Mazora][Eofrata]