Micah 7:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tehinao no aoka hiandrasanao ny olonao, dia ny ondry lovanao, izay monina mitokana any anatin’ny kirihitrala, ao an-tampon’i Karmela. Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny, toy ny tamin’ny andro taloha ela.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Andraso amin’ny tehinao ny vahoakanao dia ny ondry lovanao, izay monina mitokana any an’ala, eo afovoan’i Karmela; aoka hiraoka any Basàna sy any Galaada izy, toy ny tamin’ny andro taloha.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
TOMPO ô, ny tehinao no ento miandry ny vahoakanao, dia ny andianondry fanananao, izay mitoka-monina eo amin’ny tany be akata voahodidina saha mahavokatra; aoka izy handrasana any Basàna sy Gilehada tahaka ny tamin’ny andro taloha.
Malagasy Bible 1865
Ny tehinao no ento miandry ny olonao, Dia ny ondry lovanao, Izay monina mitokana, dia any an'ala ao an-tampon'i Karmela; Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny Toy ny tamin'ny andro taloha ela.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ny tehinao no ento miandry ny olonao, Dia ny ondry lovanao, Izay monina mitokana, dia any an'ala ao an-tampon'i Karmela; Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny Toy ny tamin'ny andro taloha ela.