Micah 7:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy; hiala amin-kovitra avy ao amin’ny fiarovany mafy tahaka ny biby mikisaka amin’ny tany izy; NY TOMPO Andriamanitsika dia hohatoniny amin-kovitra; eny, hatahotra Anao izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hilela-bovoka, toy ny menarana izy; ary toy ny bibilavan’ny tany, dia hivoaka amin-tahotra miala amin’ny fiereny; hanatona an’i Iaveh Andriamanitsika, amin-kovitra, izy, ary hatahotra anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hilela-bovoka toy ny menarana sy ireo biby mikisaka amin’ny tany izy. Amin-kovitra no hialany avy ao amin’ny tranomimanda fiereny, ka hanatonany Anao TOMPO Andriamanitray. Eny, hangorohoro izy ary hanaja Anao.
Malagasy Bible 1865
Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy; Hiala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy tahaka ny biby mikisaka amin'ny tany izy; Jehovah Andriamanitsika dia hohatoniny amin-kovitra, Eny, hatahotra Anao izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy; hiala amin-kovitra avy ao amin’ny fiarovany mafy tahaka ny biby mikisaka amin’ny tany izy; NY TOMPO Andriamanitsika dia hohatoniny amin-kovitra; eny, hatahotra Anao izy.
malagasy