Micah 7:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lany tsy misy amin’ny tany intsony ny tsara fanahy; eny, tsy misy marina ao amin’ny olombelona; samy manao vela-pandrika mba handatsa-dra avokoa izy rehetra ary mihaza ny rahalahiny amin’ny harato.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa niala tsy hita eto an-tany intsony ny olona tia vavaka, ary tsy misy marina intsony amin’ny olombelona. Fa izy rehetra samy manotrika handatsa-dra; samy mihaza ny rahalahiny sy mamela-pandrika aminy avokoa
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa foana teo amin’ny tany ny olona tena mpivavaka; ary tsy misy olo-marina intsony eo amin’ny olombelona. Samy manotrika handatsa-dra avokoa izy rehetra; ary samy mihaza mpiray tampo amin’ny fandrika harato ny tsirairay.
Malagasy Bible 1865
Lany tsy misy amin'ny tany intsony ny tsara fanahy; Eny, tsy misy olo-marina ao amin'ny olombelona; Samy manotrika handatsa-drà avokoa izy, Eny, mihaza ny rahalahiny amin'ny harato izy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lany tsy misy amin’ny tany intsony ny tsara fanahy; eny, tsy misy marina ao amin’ny olombelona; samy manao vela-pandrika mba handatsa-dra avokoa izy rehetra ary mihaza ny rahalahiny amin’ny harato.
malagasy
Lany tsy misy amin'ny tany intsony ny tsara fanahy; Eny, tsy misy olo-marina ao amin'ny olombelona; Samy manotrika handatsa-drà avokoa izy, Eny, mihaza ny rahalahiny amin'ny harato izy rehetra.