Micah 7:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Vonona hanao ratsy ny tanany; be fitakiana ny mpitondra, miaina amin’ny kolikoly ny mpitsara ary maneho ny fitsiriritany ny lehibeny, koa izy rehetra dia miray tsikombakomba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny ratsy dia efa eo ny tanana hahatontosa azy; ny mpanapaka, mamoritra; ny mpitsara, mametra izay kolikoly ho azy, ary ny lehibe mampiharihary ny fitsiriritany; dia indray mifoko hanao ny ratsy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vonona hanao ratsy ny tanany; ny mpitondra sy ny mpitsara mitaky tsolotra; ary ny lehibe milaza izay zavatra iriny, ka miara-miteti-dratsy hahatanteraka azy,
Malagasy Bible 1865
Vonona hanao ratsy ny tànany; Mila ny mpanapaka, Azon-kolikoly ny mpitsara, Ary ny lehibe milaza ny fitsiriritan'ny fanahiny, Koa izany no entiny mandrarirary azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Vonona hanao ratsy ny tanany; be fitakiana ny mpitondra, miaina amin’ny kolikoly ny mpitsara ary maneho ny fitsiriritany ny lehibeny, koa izy rehetra dia miray tsikombakomba.
malagasy
Vonona hanao ratsy ny tànany; Mila ny mpanapaka, Azon-kolikoly ny mpitsara, Ary ny lehibe milaza ny fitsiriritan'ny fanahiny, Koa izany no entiny mandrarirary azy.