Micah 7:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny voaroy madinidinika misy tsilotsilony ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo. Avy ny andro nambaran’ny mpitilinao fa hamaliana anao. Amin’izany dia ho very hevitra izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tsara indrindra aminy, no toy ny tsilo; ny mahitsy indrindra, ratsy noho ny fefy roy. - Tonga ny andro voalazan’ny tilinao, tonga ny andro famaizana anao; amin’izao dia efa safo-kenatra izy ireo! -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny tsara indrindra aminy dia toy ny roy, ary ny mahitsy indrindra aminy dia ratsy noho ny fefy tsilo. Ho avy ny andro famaizana anareo araka ny nambaran’ireo mpaminany mpitilinareo; ary, ankehitriny aza, dia efa manahy mafy ianareo.
Malagasy Bible 1865
Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny roy, Ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo; Avy ny andron'ny tilinao, izay hamaliana anao; Amin'izany dia vao ho very hevitra ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny voaroy madinidinika misy tsilotsilony ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo. Avy ny andro nambaran’ny mpitilinao fa hamaliana anao. Amin’izany dia ho very hevitra izy ireo.
malagasy
Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny roy, Ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo; Avy ny andron'ny tilinao, izay hamaliana anao; Amin'izany dia vao ho very hevitra ianao.[Heb. izy]