Micah 7:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny zanakalahy dia manamavo ny rainy, ny zanakavavy dia mitsangan-kanohitra ny reniny, ary ny vinantovavy dia hanohitra ny rafozambaviny, ary ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny zanaka lahy manao amin-drainy hoe adala; ny zanaka vavy mitsangan-kanohitra ny reniny; ny vinantovavy hanohitra ny rafozam-bavy; samy manana ho fahavalony ny olona amin’ny ankohonany ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny zanakalahy maniratsira ny rainy, ny zanakavavy manohitra ny reniny, ny vinantovavy manohitra ny rafozam-baviny, ary ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony.
Malagasy Bible 1865
Fa ny zanakalahy manamavo ny rainy, Ny zanakavavy mitsangan-kanohitra ny reniny, Ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy; Ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny zanakalahy dia manamavo ny rainy, ny zanakavavy dia mitsangan-kanohitra ny reniny, ary ny vinantovavy dia hanohitra ny rafozambaviny, ary ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony.
malagasy
Fa ny zanakalahy manamavo ny rainy, Ny zanakavavy mitsangan-kanohitra ny reniny, Ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy; Ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony.