Micah 7:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fahatezeran’NY TOMPO dia hiaretako ihany satria nanota Taminy aho, ambara-pandahany ny raharahako ka hanomezany rariny ahy; hamoaka ahy ho amin’ny mazava izy ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hivesatra ny fahatezeran’i Iaveh aho, satria nanota taminy, mandra-piaikiny ny hiaro ahy amin’ny adiko, sy hampiharihariako ny rariny momba ahy; havoakany aho ho amin’ny mazava, dia hibanjina ny fahamarinany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Satria efa nanota tamin’ny TOMPO izahay, dia hozakainay ny fahatezerany, mandra-piarony ny adinay ka hanomezany rariny anay. Hamoaka anay ho eo amin’ny mazava Izy ka ho finaritra izahay hahita ny soa nataony taminay.
Malagasy Bible 1865
Ny fahatezeran'i Jehovah dia hiaretako ihany, Fa efa nanota taminy aho, Ambara-pandahany ny teniko Sy hanomezany rariny ho ahy; Hamoaka ahy ho amin'ny mazava Izy, Ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fahatezeran’NY TOMPO dia hiaretako ihany satria nanota Taminy aho, ambara-pandahany ny raharahako ka hanomezany rariny ahy; hamoaka ahy ho amin’ny mazava izy ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.
malagasy