Nahum 1:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa na dia toy ny tsilo mifamatopatotra aza ireny sady mamon’ny zava-pisotrony dia ho levona tanteraka toy ny mololo maina izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nifaningotra toy ny tsilo sy toy ny leon’ny divainy izy ireo, ka ho levona toy ny mololo karankaina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tahaka ny tsilo misafotofoto ry zareo izay miboboka mandra-pahamamony ka ho levon’ny afo toy ny ahi-maina.
Malagasy Bible 1865
Fa na dia miforiporitra toy ny tsilo aza ireny Sady vonton'ny divay mahery fibobohany, Dia ho levona tokoa toy ny vodivary maina izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa na dia toy ny tsilo mifamatopatotra aza ireny sady mamon’ny zava-pisotrony dia ho levona tanteraka toy ny mololo maina izy.
malagasy
Fa na dia miforiporitra toy ny tsilo aza ireny Sady vonton'ny divay mahery fibobohany, Dia ho levona tokoa toy ny vodivary maina izy.[Na: dia ho levona toy ny vodivary karankaina]