Nahum 1:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO efa nandidy ny aminao hoe: Tsy hisy intsony taranaka hamelo-maso ny anaranao; halaiko tsy ho ao amin’ny tranon’ny andriamanitrao ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra voarendrika; hanao fasana ho anao Aho satria hita fa latsa-danja ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny aminao kosa, izao no voadidin’i Iaveh: Tsy ho velo-maso intsony ny anaranao; hofoanako ao an-tranon’ny Andriamanitrao ny sarin-javatra voapaika sy ny anidina; manomam-pasana ho anao Aho satria latsa-danja ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny aminareo kosa, ry mponin’i Ninive, ny TOMPO dia efa nandidy hoe: «Tsy hisy taranaka hitondra ny anaranareo intsony. Hopotehiko ao an-tranon’andriamanitrareo ny sampy hazo voasikotra na metaly voarendrika. Manomana fasana ho anareo Aho, satria maivan-danja eo anatrehako ianareo.»
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah efa nandidy ny aminao hoe: Tsy ho velo-maso intsony ny anaranao; Hataoko tapaka tsy ho ao an-tranon'ny andriamanitrao ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra an-idina; Hanao ny fasana ho anjaranao Aho, satria hita fa latsa-danja ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO efa nandidy ny aminao hoe: Tsy hisy intsony taranaka hamelo-maso ny anaranao; halaiko tsy ho ao amin’ny tranon’ny andriamanitrao ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra voarendrika; hanao fasana ho anao Aho satria hita fa latsa-danja ianao.
malagasy