Nahum 1:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mahari-po NY TOMPO sady be hery ary tsy mety manamarina ny meloka. Ao anatin’ny tadio sy ny tafio-drivotra no lalan’NY TOMPO; ny rahona dia vovoka avy amin’ny dian-tongony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mahari-po ela i Iaveh sady be hery ary tsy misy meloka avelany fotsiny. Tadio aman-tafio-drivotra no handehanan’i Iaveh, ary rahona no vovoka diaviny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy mora tezitra ny TOMPO, nefa lehibe ny heriny, ary tsy avelany ho afa-maina ny meloka. Tafio-drivotra mahery no amin’izay alehan’ny TOMPO; ny rahona no toy ny vovoka apariaky ny dian-tongony.
Malagasy Bible 1865
Mahari-po Jehovah sady be hery Ary tsy mety manamarina ny meloka; Amin'ny tadio sy ny tafio-drivotra no lalan'i Jehovah. Ary rahona no vovoky ny tongony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mahari-po NY TOMPO sady be hery ary tsy mety manamarina ny meloka. Ao anatin’ny tadio sy ny tafio-drivotra no lalan’NY TOMPO; ny rahona dia vovoka avy amin’ny dian-tongony.
malagasy
Mahari-po Jehovah sady be hery Ary tsy mety manamarina ny meloka; Amin'ny tadio sy ny tafio-drivotra no lalan'i Jehovah. Ary rahona no vovoky ny tongony.