Nahum 1:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Iza no mahajoro eo anoloan’ny fahavinirany? Ary iza no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Aidina toy ny afo ny fahatezerany ary mirodana eo anoloany ny vatolampy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iza no mahatoetra eo anoloan’ny fahavinirany? Zovy no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Mitatra toy ny afo ny fahatezerany, ary mitresaka eo anoloany ny vatolampy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iza no mahajanona eo anoloan’ny fahavinirany? Ary zovy no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Fa mihanaka toy ny afo ny fahatezerany; na dia ny vatolampy aza mitresaka eo anatrehany.
Malagasy Bible 1865
Iza no mahatoetra eo anoloan'ny fahavinirany? Ary iza no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Aidina toy ny afo ny fahatezerany, Ary mirodana eo anoloany ny vatolampy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Iza no mahajoro eo anoloan’ny fahavinirany? Ary iza no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Aidina toy ny afo ny fahatezerany ary mirodana eo anoloany ny vatolampy.
malagasy
Iza no mahatoetra eo anoloan'ny fahavinirany? Ary iza no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Aidina toy ny afo ny fahatezerany, Ary mirodana eo anoloany ny vatolampy.