Nahum 2:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro tonga eny an-tendrombohitra ilay mitondra teny soa mahafaly sady manambara fiadanana! Ankalazao ny andro firavoravoanao, ry Joda, efao ny voadinao; fa tsy handeha hamakivaky eo aminao intsony ilay tena ratsy fanahy, indray ripaka izy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro, eny an-tendrombohitra, ny tongotry ny iraka mitondra filazana mahafaly, izay manambara fiadanana. Ankalazao ny fetinao, ry Jodà, efao ny voadinao! Fa tsy handalo eo aminao intsony izy; efa levona mihitsy ny ratsy fanahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry vahoakan’i Joda, indro tamy eny an-tendrombohitra ny iraka mitondra vaovao mahafaly sy mitory fiadanana. Ankalazao ny fetinareo, efao ny voadinareo! Fa tsy handalo eo aminareo intsony ilay olom-poana, satria efa fongotra tanteraka izy.
Malagasy Bible 1865
Injany! any an-tendrombohitra ny tongotry ny mitondra teny soa mahafaly Sady mitory fiadanana! Tandremo ny andro firavoravoanao, ry Joda, Efao ny voadinao; Fa tsy handeha hamaky eo aminao intsony ilay tena ratsy fanahy, Indray ripaka izy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro tonga eny an-tendrombohitra ilay mitondra teny soa mahafaly sady manambara fiadanana! Ankalazao ny andro firavoravoanao, ry Joda, efao ny voadinao; fa tsy handeha hamakivaky eo aminao intsony ilay tena ratsy fanahy, indray ripaka izy rehetra.
malagasy