Nahum 2:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aiza ilay lavaky ny liona sy firembin’ny liona tanora, dia ilay nandehanan’ny lion-dahy sy ny liom-bavy mbamin’ny zanany ka tsy nisy nanaitaitra azy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aiza no misy ny lavak’ireo liona, izay fitoerana ifahanan’ny liona tanora, izay nieran’ny liondahy aman-diombavy sy ny zana-diona, sady tsy misy manaitaitra azy?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa aiza ankehitriny ilay tanàna izay toy ny zohy fieren’ny liona sy fihinanan’ny zanany? Rehefa lasa miremby ny liona, dia tsy nisy sahy nanakotaba ny zanany.
Malagasy Bible 1865
Aiza ilay lavaky ny liona sy firemben'ny liona tanora? Ilay nandehanan'ny liona sy ny liom-bavy mbamin'ny zana-diona, Ka tsy nisy nanaitaitra azy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aiza ilay lavaky ny liona sy firembin’ny liona tanora, dia ilay nandehanan’ny lion-dahy sy ny liom-bavy mbamin’ny zanany ka tsy nisy nanaitaitra azy?
malagasy
Aiza ilay lavaky ny liona sy firemben'ny liona tanora? Ilay nandehanan'ny liona sy ny liom-bavy mbamin'ny zana-diona, Ka tsy nisy nanaitaitra azy,