Nahum 2:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny liona dia mamotipotika izay ilain’ny zanany, manakenda koa mba hanomezany ho an’ny liom-bavy sady mameno haza ny lavaka misy azy sy mameno remby voarotidrotika ny fonenany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ilay liona nifaoka izay nilain’ny zanany, nanakenda ho an’ny liombaviny, nameno haza ny lavany, sy toha, ny zohiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Novonoin’ny liona sy noviravirainy ny hazany ho an’ny liom-bavy sy ny zanany. Ny lavaka fonenany nofenoiny remby, dia ny haza rehetra voaviravirany.
Malagasy Bible 1865
Dia ilay liona namotipotika izay ampy ho an'ny zanany Ary nanenda ho an'ny liombaviny Sady nameno haza ny lavany Sy toha ny fonenany. Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Holevoniko ho setroka ny kalesinao Ary hovonoiko sabatra ny liona tanoranao; Hofonganako amin'ny tany ny hazanao; Ka tsy ho re intsony ny feon'ny irakao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny liona dia mamotipotika izay ilain’ny zanany, manakenda koa mba hanomezany ho an’ny liom-bavy sady mameno haza ny lavaka misy azy sy mameno remby voarotidrotika ny fonenany.
malagasy
Dia ilay liona namotipotika izay ampy ho an'ny zanany Ary nanenda ho an'ny liombaviny Sady nameno haza ny lavany Sy toha ny fonenany.Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Holevoniko ho setroka ny kalesinao Ary hovonoiko sabatra ny liona tanoranao; Hofonganako amin'ny tany ny hazanao; Ka tsy ho re intsony ny feon'ny irakao.[Heb; kalesiny]