Nahum 2:14 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, hamely anao Aho, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Holevoniko ho setroka ny kalesy fitondranao miady, hovonoiko amin’ny sabatra ny liona tanoranao; hofongorako amin’ny tany ny hazanao; ary tsy ho re intsony ny feon’ny irakao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Inty aho izao manohitra anao! - teny marin’i Iavehn’ny tafika; - hampanjariko setroka ny kalesinao; holevonin’ny sabatra ny liona tanoranao; hoesoriko amin’ny tany ny hazanao; ary tsy ho re intsony ny feon’ny irakao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izao no teny hentitra ataon’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Indro hamely anao Aho, ry Ninive, hodorako ho levona ny kalesinao ary hatolotro ho fatin-tsabatra ny tanoranao. Hofaranako hatreo ny fandrobanao teto an-tany, ka tsy ho re intsony ny fitakiana ataon’ny irakao.»
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, hamely anao Aho, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Holevoniko ho setroka ny kalesy fitondranao miady, hovonoiko amin’ny sabatra ny liona tanoranao; hofongorako amin’ny tany ny hazanao; ary tsy ho re intsony ny feon’ny irakao.
malagasy
Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Holevoniko ho setroka ny kalesinao Ary hovonoiko sabatra ny liona tanoranao; Hofonganako amin'ny tany ny hazanao; Ka tsy ho re intsony ny feon'ny irakao.[Heb; kalesiny]