Nahum 2:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Misy mpanafika miakatra hamely anao. Ambeno ny manda, tazano ny lalana, mivonòna hiady, mahereza, aoka hitomban-dahy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Misy mpandrava tamy hamely anao; tano ny trano mimanda, ambeno ny lalana, hatanjaho ny andilanao, angony ny herinao rehetra!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miakatra hamely anao, ry Ninive, ireo mpandrava; koa ambeno ny manda, andraso ny lalana. Mivonòna hiady ary angony ny tafikao rehetra.
Malagasy Bible 1865
Misy mpanorotoro miakatra hamely anao Ambeno ny manda, Tazano ny lalana, Hatanjaho ny valahanao, Hetseho mafy ny herinao!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Misy mpanafika miakatra hamely anao. Ambeno ny manda, tazano ny lalana, mivonòna hiady, mahereza, aoka hitomban-dahy!
malagasy
Misy mpanorotoro miakatra hamely anao Ambeno ny manda, Tazano ny lalana, Hatanjaho ny valahanao, Hetseho mafy ny herinao!