Nahum 2:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miloko mena ny ampingan’ny lehilahy maheriny, miloko jaky ny fanamian’ny miaramilany, ny kalesy fitondrany miady dia misy vy mahery, mamirapiratra toy ny afo amin’ny andro fiomanany, ary arangaranga ny lefona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Voaloko mena ny ampingan’ny mpiadiny, miakanjo mena mangatrakatraka ny miaramilany: mitranga ny kalesiny ao anatin’ny vy manjelanjelatra, amin’ny andro iomanany hiady, ary ny lefony mandihindihy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ampinga miloko mena sy akanjo jaky midorehitra no entin’ny tafika fahavalonao, ry Ninive. Manjelatra toy ny afo ny kalesiny ary mirangaranga ny lefony, rehefa mivonon-kiady izy.
Malagasy Bible 1865
Nomenaina ny ampingan'ny lehilahy maheriny, Mitafy jaky ny miaramilany, Ny kalesiny dia misy vy mahery, mamirapiratra toy ny afo, amin'ny andro fiomanany, Ary antsodina ny lefona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Nomenaina ny ampingan'ny lehilahy maheriny, Mitafy jaky ny miaramilany, Ny kalesiny dia misy vy mahery, mamirapiratra toy ny afo, amin'ny andro fiomanany, Ary antsodina ny lefona.