Nahum 2:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miriotra eny an-dalambe ny kalesy fitondra miady ka mifamoivoy eny amin’ny toerana malalaka; tahaka ny harendrina no fijery azy, mitsoriaka tahaka ny tselatra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eny amin’ny arabe ny kalesiny miriotra mifofofofo; miezaka faingana eny amin’ny kianja, hoatra ny lelafo no fijery azy, toy ny tselatra mitsoriaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miriotra mamakivaky ny arabe ny kalesiny, ary mifanaretsaka eny an-kianja malalaka; toy ny harendrina no fijery azy fa mitsoriaka tahaka ny tselatra.
Malagasy Bible 1865
Ampiezahina eny an-dalambe ny kalesy Ka mifanaretsadretsaka eny an-kalalahana; Tahaka ny harendrina no fijery azy, Mitsoriaka tahaka ny helatra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Miriotra eny an-dalambe ny kalesy fitondra miady ka mifamoivoy eny amin’ny toerana malalaka; tahaka ny harendrina no fijery azy, mitsoriaka tahaka ny tselatra izy.
malagasy
Ampiezahina eny an-dalambe ny kalesy Ka mifanaretsadretsaka eny an-kalalahana; Tahaka ny harendrina no fijery azy, Mitsoriaka tahaka ny helatra izy.