Nahum 2:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsaroany ny lehilahy malazany, kanjo tafintohina am-pandehanana ireny; mihazakazaka ho any amin’ny manda ireny, kanjo efa voatsangana hatrany an-tampony ny manda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mahatsiahy ny olo-malazany izy; tafintohina eny am-pandehanana ireny; miezaka ho amin’ny manda izy ireo: mivonon-kiaro tena ny olona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miantso ireo jeneraliny ny mpanjakan’i Asiria, kanjo tafintohina am-pandehanana ireny. Milomay manatona ny manda ny mpanani-bohitra ka maka toerana eo ambanin’ny fialofana.
Malagasy Bible 1865
Tsaroany ny lehilahy malazany, Kanjo tafintohina eny am-pandehanana ireny; Mihazakazaka ho any amin'ny manda ireny, Kanjo efa voatsangana sahady ny hamelezana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsaroany ny lehilahy malazany, kanjo tafintohina am-pandehanana ireny; mihazakazaka ho any amin’ny manda ireny, kanjo efa voatsangana hatrany an-tampony ny manda.
malagasy
Tsaroany ny lehilahy malazany, Kanjo tafintohina eny am-pandehanana ireny; Mihazakazaka ho any amin'ny manda ireny, Kanjo efa voatsangana sahady ny hamelezana azy.