Nahum 2:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hatramin’izay i Ninive dia tahaka ny fitahirizan-drano; kanefa manary rano izy izao. Mijanòna! Mijanòna e! Nefa tsy misy miherika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy ny bodo i Niniva hatrizay niandohany... Mandositra izy ireo!...Mijanòna e! Mijanòna e!... nefa tsy misy miherika!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hatrizay i Ninive dia tahaka ny siniben-drano, kanjo vaky izy ankehitriny. «Mijanòna! Mijanòna!» hoy ny hiaka nefa tsy nisy niherika na dia iray aza.
Malagasy Bible 1865
Fa Ninive dia tahaka ny farihy hatrizay nisiany; Nefa handositra ihany ireny, Mijanòna, mijanòna e! Nefa tsy misy miherika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hatramin’izay i Ninive dia tahaka ny fitahirizan-drano; kanefa manary rano izy izao. Mijanòna! Mijanòna e! Nefa tsy misy miherika.
malagasy
Fa Ninive dia tahaka ny farihy hatrizay nisiany; Nefa handositra ihany ireny, Mijanòna, mijanòna e! Nefa tsy misy miherika.