Nahum 3:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa na izy aza dia lasa, eny, lasan-ko babo; ny zanany madinika dia notorotoroina teny an-joron-dalambe rehetra teny; nanaovany antsapaka ny olo-malazany, ary nogadraina ny lehibeny rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mba lasana voasesitany ihany anefa, ary nentin-ko babo izy; ny zanany madinika koa notorotoroina, teny an-joron-dalambe rehetra teny; ny olo-malazany nanaovana filokana, ary ny lehibeny rehetra nivesatra gadra avokoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa na ny mponin’i Teba koa aza dia lasan-ko babo sy voasesitany. Ny zaza teo aminy dia novonoin-ko faty teny an-joron-dàlana rehetra teny, ny loholony notsinjaraina an-tsapaka, ary ny lehibeny rehetra nasiana gadra vy.
Malagasy Bible 1865
Nefa na izy aza dia lasa, eny, lasan-ko babo; Ny zanany madinika koa notorotoroina teny an-joron-dalambe rehetra eny; Ny olo-malazany nanaovany filokana, Ary ny lehibeny rehetra nogadrana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa na izy aza dia lasa, eny, lasan-ko babo; ny zanany madinika dia notorotoroina teny an-joron-dalambe rehetra teny; nanaovany antsapaka ny olo-malazany, ary nogadraina ny lehibeny rehetra.
malagasy
Nefa na izy aza dia lasa, eny, lasan-ko babo; Ny zanany madinika koa notorotoroina teny an-joron-dalambe rehetra eny; Ny olo-malazany nanaovany filokana, Ary ny lehibeny rehetra nogadrana.