Nahum 3:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manangòna rano ho anao ho amin’ny fahirano! Hamafiso ny mandanao! Mirotsaha ao amin’ny fotaka ka hosihoseo ho feta izany! Raiso ny lasitra fanaovam-biriky!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mantsakà rano ho anao ho fitaovana amin’ny fahirano; hamafiso ny manda, manditia tanimanga, mihose tanidilatra, raiso ny lasitra hanaovana biriky.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry mponin’i Ninive, manangòna rano fa ho avy ny fahirano, hamafiso ny mandanareo; manditia tanimanga ho feta ka raiso ny lasi-biriky.
Malagasy Bible 1865
Manangona rano ho anao ho an'ny fahirano; Hamafio ny mandanao; Mirotsaha amin'ny fotaka, ka hosihoseo ho feta, Amboary ny lafaoro fandoroam-biriky.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manangòna rano ho anao ho amin’ny fahirano! Hamafiso ny mandanao! Mirotsaha ao amin’ny fotaka ka hosihoseo ho feta izany! Raiso ny lasitra fanaovam-biriky!
malagasy
Manangona rano ho anao ho an'ny fahirano; Hamafio ny mandanao; Mirotsaha amin'ny fotaka, ka hosihoseo ho feta, Amboary ny lafaoro fandoroam-biriky.