Nahum 3:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny andriananao dia toy ny valala, ary ny mpifehinao dia toy ny valalavao izay mitoby eny amin’ny fefy raha mangatsiaka ny andro; fa raha miposaka ny masoandro dia lasa manidina izy ka tsy fantatra izay alehany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpiambinao no toy ny ieleka ary ny mpanapaka anao no toy ny valala vao, miavosa, mipetraka eny amin’ny fefy izy, amin’izay andro mangatsiaka; fa lasa mandositra raha vao miposaka ny masoandro, ka tsy fantatra intsony izay nisy azy; nankaiza izy?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Betsaka toy ny valala ny andriananao; ny mpiasam-panjakana ao aminao koa dia toy ny andiam-balala mivangongo eny amin’ny fefy nony mangatsiaka ny andro. Fa rehefa miposaka ny masoandro, dia lasa manidina ireny ka tsy fantatra izay nalehany.
Malagasy Bible 1865
Ny andriananao dia toy ny valala, Ary ny mpifehinao dia toy ny valalavao, Izay mitoby eny amin'ny fefy, raha mangatsiaka ny andro; Fa raha miposaka ny masoandro, dia lasa manidina izy, Ka tsy fantatra izay nalehany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny andriananao dia toy ny valala, ary ny mpifehinao dia toy ny valalavao izay mitoby eny amin’ny fefy raha mangatsiaka ny andro; fa raha miposaka ny masoandro dia lasa manidina izy ka tsy fantatra izay alehany.
malagasy
Ny andriananao dia toy ny valala, Ary ny mpifehinao dia toy ny valalavao, Izay mitoby eny amin'ny fefy, raha mangatsiaka ny andro; Fa raha miposaka ny masoandro, dia lasa manidina izy, Ka tsy fantatra izay nalehany.[Na: mpanoratrao]