Nahum 3:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy misy fanafana ny manjo anao, tsy azo sitranina ny ferinao; izay rehetra ilazana ny nanjo anao dia hitehaka; fa iza no tsy efa tratry ny zava-doza nataonao miverimberina?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy lai-panafody ny ratranao; ratsy ny ferinao; izay rehetra hitantarana ny nanjò anao, hiteha-tanana noho ny aminao avokoa; satria zovy moa no tsy niharan’ny hasomparanao lava izao?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy misy fanafany ny fangirifirianao ary tsy azo sitranina intsony ny ferinao. Fa izay rehetra mahalala ny nanjò anao dia hitehaka avokoa manoloana ny fahavoazanao, satria zovy moa no tsy nahita faisana noho ny habibiana mitohy nafitsokao?
Malagasy Bible 1865
Tsy mety mihena ny fangirifirianao, Tsy azo sitranina ny ferinao; Izay rehetra ilazana ny nanjo anao dia hiteha-tanana anao; Fa iza no tsy efa tratry ny fandozanao mandrakariva?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy misy fanafana ny manjo anao, tsy azo sitranina ny ferinao; izay rehetra ilazana ny nanjo anao dia hitehaka; fa iza no tsy efa tratry ny zava-doza nataonao miverimberina?
malagasy
Tsy mety mihena ny fangirifirianao, Tsy azo sitranina ny ferinao; Izay rehetra ilazana ny nanjo anao dia hiteha-tanana anao; Fa iza no tsy efa tratry ny fandozanao mandrakariva?