Nahum 3:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, hamely anao Aho, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao; ary haingaiko ho amin’ny tavanao ny morontongotr’akanjonao ka hasehoko amin’ny firenena ny fitanjahanao ary amin’ny fanjakana ny fahamenaranao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Inty Aho izao manohitra anao, - teny marin’i Iavehn’ny tafika; - haingaiko hatrany amin’ny tavanao ny rambon’ny akanjonao, haharihariko amin’ny firenena ny fitanjahanao, ary amin’ny fanjakana ny fahamenaranao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izao no teny hentitra ataon’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Indro hamely anao Aho. Haingaiko hatreny amin’ny tavanao ny moron-tongotr’akanjonao. Ka hasehoko miboridana amin’ny firenena sy fanjakana ianao ary hahita anao rakotra henatra ireo.
Malagasy Bible 1865
Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Ary haingaiko ho amin'ny tavanao ny moron-tongotr'akanjonao, Ka hasehoko amin'ny firenena ny fitanjahanao Sy amin'ny fanjakana ny fahamenaranao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Ary haingaiko ho amin'ny tavanao ny moron-tongotr'akanjonao, Ka hasehoko amin'ny firenena ny fitanjahanao Sy amin'ny fanjakana ny fahamenaranao.