Nahum 3:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ianao va tsara noho i No-Amona, ilay nitoetra teo anelanelan’ny ony ka nohodidinin’ny rano, toy ny ranomasina ny manda manodidina azy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa ianao tsara noho i No-Amôna izay nipetraka teo amin’ny ony, nohodidinin’ny rano, nanana ny ranomasina ho mandany, sy ny rano be ho tambohony?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Moa va ianao, ry Ninive, tsara noho i Teba, ilay tanàna niorina teo anivon’ny ony Neily sady voadidin’ny ranobe toy ny manda miaro azy?
Malagasy Bible 1865
Tsara noho No-amona va ianao? Ilay nitoetra teo anelanelan'ny ony Ka nohodidinin'ny rano; Ny rano be no rovany, Ary ny rano be koa no mandany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ianao va tsara noho i No-Amona, ilay nitoetra teo anelanelan’ny ony ka nohodidinin’ny rano, toy ny ranomasina ny manda manodidina azy?
malagasy
Tsara noho No-amona va ianao? Ilay nitoetra teo anelanelan'ny ony Ka nohodidinin'ny rano; Ny rano be no rovany, Ary ny rano be koa no mandany;[Heb. ranomasina]