Nehemiah 1:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa mitaraina Aminao aho, Tompo ô, mihainoa ny vavaka ataon’ity mpanomponao ity sy ny vavaka ataon’ny mpanomponao rehetra izay faly amin’ny fahatahorana ny anaranao; hambinina anie ny mpanomponao anio ary aoka hahazo famindrampo eo imason’io lehilahy io aho. Mpitondra kapoaky ny mpanjaka anefa aho tamin’izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Endrey, ry Tompo, aoka hanongilan-tsofina amin’ny vavak’ity mpanomponao Ianao, sy amin’ny vavak’ireo mpanomponao izay mankasitraka tokoa ny matahotra ny Anaranao! Ho sitrakao anie ny hanambina ny mpanomponao anio, sy hampahita fitia azy eo imason’io lehilahy io.» Mpandroso divain’ny mpanjaka aho fahizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa mitalaho aminao aho, Tompo ô; aoka Ianao hihaino ny vavaka ataoko sy ataon’ireo mpanomponao rehetra izay faly manaja Anao. Hambininao anie aho ka hataonao mahazo famindrampo eo imason’ny amperôra! Mpandroso divay ho an’ny amperôra aho tamin’izay.
Malagasy Bible 1865
Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin'ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason'io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa mitaraina Aminao aho, Tompo ô, mihainoa ny vavaka ataon’ity mpanomponao ity sy ny vavaka ataon’ny mpanomponao rehetra izay faly amin’ny fahatahorana ny anaranao; hambinina anie ny mpanomponao anio ary aoka hahazo famindrampo eo imason’io lehilahy io aho. Mpitondra kapoaky ny mpanjaka anefa aho tamin’izany.
malagasy