Nehemiah 1:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
koa hoy ny navaliny ahy: Ny sisa tamin’ny fahababoana izay any amin’ny fari-piadidiana any dia mitondra fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny mandan’i Jerosalema sady main’ny afo ny vavahadiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka izao no navaliny ahy: «Lavina ny fahoriana sy latsa mahazo ny sisa afaka, dia izay nitsoaka tamin’ny fahababoana, any amin’ny ambanivohitra any; ny mandan’i Jerosalema voarodana, ny vavahadiny levon’ny afo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka izao no navaliny ahy: –Ireo Jiosy tafaverina avy any an-tsesitany, ao amin’ny faritr’i Joda, dia mitondra latsa sy fahoriana be; ny mandan’i Jerosalema kosa voarodana, ary ny vavahadiny dia kilan’ny afo.
Malagasy Bible 1865
Ka hoy no navaliny ahy: Ny sisa tamin'ny fahababoana izay any amin'ny tany any dia mitondra fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny mandan'i Jerosalema sady nodoran'ny afo ny vavahadiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
koa hoy ny navaliny ahy: Ny sisa tamin’ny fahababoana izay any amin’ny fari-piadidiana any dia mitondra fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny mandan’i Jerosalema sady main’ny afo ny vavahadiny.
malagasy
Ka hoy no navaliny ahy: Ny sisa tamin'ny fahababoana izay any amin'ny tany any dia mitondra fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny mandan'i Jerosalema sady nodoran'ny afo ny vavahadiny.