Nehemiah 1:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka hoy aho hoe: Indrisy! RY TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, izay mitandrina ny fanekena sy famindrampo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nanao hoe: «Ry Iaveh Andriamanitry ny lanitra ô, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra ô, Ianao izay mitana ny fanekena sy ny famindram-po amin’izay tia Anao sy mitandrina ny didinao anie,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nanao hoe: –Indrisy, ry TOMPO Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra! Mitandro ny fanekempihavanana sy famindrampo Ianao amin’izay mitia Anao sy mitandrina ny didinao;
Malagasy Bible 1865
ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka hoy aho hoe: Indrisy! RY TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, izay mitandrina ny fanekena sy famindrampo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
malagasy
ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,