Nehemiah 1:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman’alina ho an’ny Zanak’Israely mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan’ny Zanak’Israely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny ankohonan-draiko dia samy efa nanota avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
hanongilana ny sofinao sy hampahiratra ny masonao, hihaino ny vavaky ny mpanomponao izay ataoko aminao ankehitriny, andro aman’alina ho an’ny zanak’i Israely mpanomponao, amim-piekena ny fahotan’ny zanak’i Israely, dia izay nataony taminao; fa nanota izahay dia izaho sy ny fianakavian-draiko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
koa enga anie Ianao hihaino sy hijery ahy! Ekeo ny vavaka izay ataoko aminao ankehitriny fa mpanomponao aho. Andro aman’alina aho no mivavaka aminao ho anay Israelita mpanomponao; avelao heloka izahay fa miaiky ny fahotana nataonay taminao aho. Eny, izaho sy ny razako samy efa nanota avokoa;
Malagasy Bible 1865
aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman'alina ho an'ny Zanak'Isiraely mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan'ny Zanak'Isiraely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny mpianakavin-draiko dia samy efa nanota avokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman’alina ho an’ny Zanak’Israely mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan’ny Zanak’Israely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny ankohonan-draiko dia samy efa nanota avokoa.
malagasy