Nehemiah 10:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noho ireo rehetra ireo dia manao fanekena mafy izahay ka soratanay izany ary asian’ny mpanapaka anay sy ny levitanay ary ny mpisoronay tombo-kase eo aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Noho izany rehetra izany, dia manao fanekena masina izahay ka nalatsakay an-tsoratra, ary ny lehibenay, ny Levitanay sy ny mpisoronay nanisy ny tombokaseny eo avy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany rehetra nanjo anay izany, dia fanomezan-toky mafy no nataonay sy naraikitray an-tsoratra. Taratasy nasiana tombokase izy io sady nosoniavin’ny mpanapaka anay sy ny levitanay ary ny mpisoronay.
Malagasy Bible 1865
Ary noho izany rehetra izany dia manao fanekena mafy izahay, ka soratanay izany ary manisy tombo-kase eo aminy ny mpanapaka anay sy ny Levitanay ary ny mpisoronay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noho ireo rehetra ireo dia manao fanekena mafy izahay ka soratanay izany ary asian’ny mpanapaka anay sy ny levitanay* ary ny mpisoronay tombo-kase eo aminy.
malagasy
Ary noho izany rehetra izany dia manao fanekena mafy izahay, ka soratanay izany ary manisy tombo-kase eo aminy ny mpanapaka anay sy ny Levitanay ary ny mpisoronay.