Nehemiah 10:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia samy nikambana tsara tamin’ny olo-manankaja rahalahiny ka niozona sy nianiana hanaraka ny lalànan’Andriamanitra izay nampilazaina an’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra. Nianiana koa izy fa hitandrina sy hankatò ny didy rehetra izay nataon’NY TOMPO Andriamanitsika mbamin’ny fitsipika sy ny lalànany;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
izay afa-nahalala sy manan-tsaina rehetra, dia samy nikambana tamin’ireo rahalahiny, dia ny andriandahiny, avokoa, nanome toky tamim-piozonana amam-pianianana fa hanaraka ny lalàn’Andriamanitra, izay nomena tamin’ny alalan’i Môizy, mpanompon’Andriamanitra, hitandrina sy hankatò ny didin’i Iaveh Tompontsika, mbamin’ny fitsipiny aman-dalàny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
eny, ny olona sisa dia samy nikambana tsara tamin’ireo Israelita manan-kaja ireo; ka nianiana mafy izy rehetra hanaraka ny lalàna izay nampitain’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy mpanompony, ary hitandrina sy hanatanteraka ny didy sy fitsipika aman-dalàna rehetra izay nataon’ny TOMPO Andriamanitray.
Malagasy Bible 1865
dia samy nikambana tsara tamin'ny andriandahy rahalahiny ka niozona sy nianiana hanaraka ny lalan'Andriamanitra, izay nampilazaina an'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, ary hitandrina sy hankatò ny didy rehetra izay nataon'i Jehovah Tompontsika mbamin'ny fitsipika sy ny lalàny;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia samy nikambana tsara tamin’ny olo-manankaja rahalahiny ka niozona sy nianiana hanaraka ny lalànan’Andriamanitra izay nampilazaina an’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra. Nianiana koa izy fa hitandrina sy hankatò ny didy rehetra izay nataon’NY TOMPO Andriamanitsika mbamin’ny fitsipika sy ny lalànany;
malagasy