Nehemiah 10:34 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia ho amin’ny mofo atao fanatitra mandrakariva avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ary ho amin’ny Sabata sy ny voaloham-bolana sy ny fotoam-pivavahana, ary ho amin’ny zava-masina sy ny fanatitra fanadiovana hanaovana fanavotana ho an’ny Israely; eny, hanaovana ny raharaha rehetra momba ny tranon’Andriamanitsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny mofo alahatra, ny fanatitra tsy tapaka, ny sorona dorana tsy tapaka, ny sorona amin’ny sabata, ny voaloham-bolana ary ny fety, ny zavatra masina, ny sorona noho ny ota, hanaovana ny fanonerana ho an’ny zanak’i Israely, mbamin’izay rehetra fanao ao an-tranon’ny Andriamanitsika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
io rehetra io dia hahazoana ny mofo atolotra ho an’Andriamanitra, ny sorona dorana manontolo sy fanatitra vokatry ny tany fanao isan’andro, ny sorona fanolotra isaky ny sabata sy voaloham-bolana ary andro fety, ny fanatitra hafa voatokana ho zava-masina dia masina, ary ny sorona fanalana ny ota mba handraisan’ny vahoaka Israely famelan-keloka; farany, io hetra io dia hanatontosana ny raharaha rehetra fikarakarana ny tranon’Andriamanitray.
Malagasy Bible 1865
dia ho amin'ny mofo aseho sy ny fanatitra hohanina mandrakariva sy ny fanatitra dorana mandrakariva, ary ho amin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana sy ny fotoam-pivavahana, ary ho amin'ny zava-masina sy ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an'ny Isiraely, dia hanaovana ny raharaha rehetra momba ny tranon'Andriamanitsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia ho amin’ny mofo atao fanatitra mandrakariva avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ary ho amin’ny Sabata sy ny voaloham-bolana sy ny fotoam-pivavahana, ary ho amin’ny zava-masina sy ny fanatitra fanadiovana hanaovana fanavotana ho an’ny Israely; eny, hanaovana ny raharaha rehetra momba ny tranon’Andriamanitsika.
malagasy