Nehemiah 10:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanao antsapaka izahay ny amin’ny hanateran’ny mpisorona sy ny levita mbamin’ny vahoaka ny kitay hazo, hitondranay azy ho ao amin’ny tranon’Andriamanitsika araka ny fianakavianay avy amin’ny fotoanandro isan-taona, handoroana eo ambonin’ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitsika araka izay voasoratra ao amin’ny lalàna,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao filokana izahay mpisorona, Levita, vahoaka, ny amin’ny hanaterana ny kitay hazo, mba samy hitondra izany ao an-tranon’ny Andriamanitsika, isam-pianakaviana araka ny anjara fotoany avy, amin’ny fotoana voaraikitra, isan-taona, mba harehitra eo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitsika, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanao antsapaka izahay mpisorona sy levita ary sarambabem-bahoaka ny amin’ny hifandimbiasana hanatitra kitay hazo ho ao an-tranon’Andriamanitray, isam-pianakaviana amin’ny fotoanandro manandrify; isan-taona, araka izay voasoratra ao amin’ny lalàna, no hitondranay an’izany kitay izany mba handorana ny sorona eo ambonin’ny alitara n’ny TOMPO Andriamanitray.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao filokana izahay ny amin'ny hanateran'ny mpisorona sy ny Levita sy ny olona ny kitay hazo, hitondranay azy ho ao an-tranon'Andriamanitra araka ny fianakavianay avy amin'ny fotoan'andro isan-taona, handoroana eo ambonin'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika araka izay voasoratra ao amin'ny lalàna,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanao antsapaka izahay ny amin’ny hanateran’ny mpisorona sy ny levita mbamin’ny vahoaka ny kitay hazo, hitondranay azy ho ao amin’ny tranon’Andriamanitsika araka ny fianakavianay avy amin’ny fotoanandro isan-taona, handoroana eo ambonin’ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitsika araka izay voasoratra ao amin’ny lalàna,
malagasy