Nehemiah 10:38 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary mba hitondranay ho an’ny mpisorona koa ny voalohan’ny kobanay voafetafeta sy ny fanomezanay, ny voaloham-bokatry ny hazo rehetra, ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho amin’ny efitrano ao amin’ny tranon’Andriamanitsika, ary ny ampahafolon’ny vokatry ny taninay dia ho an’ny levita; fa ny levita no mpandray ny fahafolonkarena eny an-tanàna rehetra akaikin’ny fambolenay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toraka izany koa hanatitra ho an’ny mpisorona ao amin’ny efitrano, ao an-tranon’ny Andriamanitsika, ny santatry ny kobanay amam-panatitray voaavaka mbamin’ny voankazo avy amin’ny hazo rehetra, ny divay vaovao ary ny diloilo, ary hanolotra amin’ny Levita ny ampahafolon’ny vokatry ny taninay; ary ny tenan’ny Levita no haka ny ampahafolony any amin’ny tanàna rehetra fambolenay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ampahany voafantinay amin’ny koba sy voankazo ary divay sy menaka no hatolotray ho an’ny mpisorona ka hapetrakay ao an-tranon’Andriamanitray, ao amin’ny efitrano voatokana ho an’izany; hatolotray ho an’ny levita ny ampahafolon’ny vokatry ny taninay, ka ny levita mihitsy no handray io fahafolon-karena io eny an-tanàna rehetra akaikin’ny fambolenay.
Malagasy Bible 1865
ary mba hitondranay ho an'ny mpisorona koa ny voalohan'ny kobanay voafetafeta sy ny fanatitra asandratray sy ny voaloham-bokatry ny hazo rehetra sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho amin'ny efi-trano ao an-tranon'Andriamanitsika, ary ny ampahafolon'ny vokatry ny taninay ho an'ny Levita; fa ny Levita no mpandray ny fahafolon-karena eny an-tanàna rehetra akaikin'ny fambolenay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary mba hitondranay ho an’ny mpisorona koa ny voalohan’ny kobanay voafetafeta sy ny fanomezanay, ny voaloham-bokatry ny hazo rehetra, ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho amin’ny efitrano ao amin’ny tranon’Andriamanitsika, ary ny ampahafolon’ny vokatry ny taninay dia ho an’ny levita; fa ny levita no mpandray ny fahafolonkarena eny an-tanàna rehetra akaikin’ny fambolenay.
malagasy