Nehemiah 10:39 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hisy mpisorona iray, taranak’i Arona, hiaraka amin’ny levita, raha mandray ny fahafolonkarena izy; ary ny ampahafolon’ny fahafolonkarena dia hoentin’ny levita miakatra ho ao amin’ny tranon’Andriamanitsika, ho ao amin’ny efitrano ao an-trano fitahirizana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpisorona taranak’i Aarôna, hiaraka amin’ny Levita, rehefa mandray ny fahafolony ny Levita, ary ny ampahafolon’ny fahafolony dia haterin’ny Levita ao an-tranon’Andriamanitra ao amin’ny efitrano fitahirizan-drakitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa mandray ny fahafolon-karena kosa ny levita, dia hisy mpisorona anankiray taranak’i Aharôna hiaraka aminy; ary ny ampahafolon’ny fahafolon-karena dia hoentin’ny levita ao an-tranon’Andriamanitra, ao amin’ny efitrano fitehirizan-drakitra.
Malagasy Bible 1865
Ary hisy mpisorona anankiray, taranak'i Arona, hiaraka amin'ny Levita, raha mandray ny fahafolon-karena izy; ary ny ampahafolon'ny fahafolon-karena dia ho entin'ny Levita miakatra ho ao an-tranon'Andriamanitsika, ho ao amin'ny efi-trano ao an-trano fitehirizan-drakitra. Fa ho ao amin'ireo efi-trano ireo no hitondran'ny Zanak'Isiraely sy ny Levita ny fanatitra asandratra, dia vary sy ranom-boaloboka ary diloilo, dia ho ao amin'ilay itoeran'ny fanaky ny fitoerana masina sy ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana sy ny mpiandry varavarana ary ny mpihira; ary tsy hahafoy ny tranon'Andriamanitsika izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hisy mpisorona iray, taranak’i Arona, hiaraka amin’ny levita, raha mandray ny fahafolonkarena izy; ary ny ampahafolon’ny fahafolonkarena dia hoentin’ny levita miakatra ho ao amin’ny tranon’Andriamanitsika, ho ao amin’ny efitrano ao an-trano fitahirizana.
malagasy
Ary hisy mpisorona anankiray, taranak'i Arona, hiaraka amin'ny Levita, raha mandray ny fahafolon-karena izy; ary ny ampahafolon'ny fahafolon-karena dia ho entin'ny Levita miakatra ho ao an-tranon'Andriamanitsika, ho ao amin'ny efi-trano ao an-trano fitehirizan-drakitra.Fa ho ao amin'ireo efi-trano ireo no hitondran'ny Zanak'Isiraely sy ny Levita ny fanatitra asandratra, dia vary sy ranom-boaloboka ary diloilo, dia ho ao amin'ilay itoeran'ny fanaky ny fitoerana masina sy ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana sy ny mpiandry varavarana ary ny mpihira; ary tsy hahafoy ny tranon'Andriamanitsika izahay.