Nehemiah 10:40 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ho ao amin’ireo efitrano ireo no hitondran’ny Zanak’Israely sy ny levita ny fanomezana, dia vary sy ranom-boaloboka ary diloilo, dia ho ao amin’ilay itoeran’ny fanaky ny fitoerana masina sy ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana sy ny mpiandry varavarana ary ny mpihira. Tsy hahafoy ny tranon’Andriamanitsika izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ao amin’ny efitrano no hanateran’ny zanak’i Israely sy ny taranak’i Levì ny fanatitra avy amin’ny vary sy ny divay aman-diloilo; ao no misy ny fanaky ny fitoerana masina, sy itoeran’ny mpisorona manao ny fanompoana, mbamin’ny mpiandry varavarana sy ny mpihira, ka amin’izany tsy hataonay mosalahy ny amin’ny tranon’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ao amin’ireo efitrano ireo no hanateran’ny Israelita sy ny levita ny ampahany voafantiny amin’ny vary sy divay ary menaka; ao amin’ireo efitrano ireo mantsy no misy ny fanaky ny Toeramasina sady itoeran’ny mpisorona manao fanompoana sy ny mpiandry varavarana ary ny mpihira. Amin’izany no tsy hanaovanay tsirambina ny tranon’Andriamanitray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ho ao amin’ireo efitrano ireo no hitondran’ny Zanak’Israely sy ny levita ny fanomezana, dia vary sy ranom-boaloboka ary diloilo, dia ho ao amin’ilay itoeran’ny fanaky ny fitoerana masina sy ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana sy ny mpiandry varavarana ary ny mpihira. Tsy hahafoy ny tranon’Andriamanitsika izahay.
malagasy
Fa ho ao amin'ireo efi-trano ireo no hitondran'ny Zanak'Isiraely sy ny Levita ny fanatitra asandratra, dia vary sy ranom-boaloboka ary diloilo, dia ho ao amin'ilay itoeran'ny fanaky ny fitoerana masina sy ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana sy ny mpiandry varavarana ary ny mpihira; ary tsy hahafoy ny tranon'Andriamanitsika izahay.