Nehemiah 11:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nonina tany Jerosalema ny mpanapaka ny olona; ary ny olona sisa dia nanao antsapaka hahatonga ny ampahafolony honina any Jerosalema, tanàna masina, fa ny sivy toko kosa dia any amin’ny tanàna hafa ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niorim-ponenana tao Jerosalema ny lehiben’ny vahoaka, ary nanaovana filokana ny vahoaka sisa mba ho tonga honina ao Jerosalema tanàna masina ny iray isam-polo, fa ny sivy toko sisa no ho amin’ny tanàna hafa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niorim-ponenana tao Jerosalema ireo lehiben’ny vahoaka; ary nanaovana antsapaka ny vahoaka sisa mba hahatonga ny ampahafolony honina ao Jerosalema tanàna masina, fa ny sivy toko kosa dia ho any amin’ny tanàna hafa.
Malagasy Bible 1865
Ary nonina tany Jerosalema ny mpanapaka ny olona; ary ny olona sisa nanao filokana hahatonga ny ampahafolony honina any Jerosalema, tanàna masina, fa ny sivy toko kosa dia any an-tanàna hafa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary nonina tany Jerosalema ny mpanapaka ny olona; ary ny olona sisa nanao filokana hahatonga ny ampahafolony honina any Jerosalema, tanàna masina, fa ny sivy toko kosa dia any an-tanàna hafa.