Nehemiah 11:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny amin’ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin’ny taranak’i Joda, no nonina tany Kiriata-Arba sy ny vohitra miankina aminy, tany Dibona sy ny vohitra miankina aminy, tany Jekabzela sy ny vohitra miankina aminy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny amin’ny tanàna sy ny tany momba azy dia izao no nonenan’ny zanak’i Jodà: i Kariata-Arbe, mbamin’ny vohitra momba azy, i Dibôna mbamin’ny vohitra momba azy, i Kabseela, mbamin’ny zana-bohiny;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sasany tamin’ny taranak’i Joda dia nonina tany amin’ireto tanàna teny anivon-tsaha ireto: i Kiriata-Arbà sy ireo tanàna kely miankina aminy, i Dibôna sy ireo tanàna kely miankina aminy, i Kabitseela sy ny tanàna mifanila aminy,
Malagasy Bible 1865
Fa ny amin'ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin'ny taranak'i Joda no nonina tany Kiriat-arba sy ny zana-bohiny, ary tany Dibona sy ny zana-bohiny, ary tany Jekabzela sy ny zana-bohiny,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa ny amin'ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin'ny taranak'i Joda no nonina tany Kiriat-arba sy ny zana-bohiny, ary tany Dibona sy ny zana-bohiny, ary tany Jekabzela sy ny zana-bohiny,