Nehemiah 11:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no mpitondra ny fari-piadidiana izay nonina tany Jerosalema; fa ny tao an-tanànan’ny Joda dia samy nonina tao amin’ny taniny avy, tao an-tanànany, dia ny Israely, ny mpisorona, ny levita, ny Netinima ary ny taranaky ny mpanompon’i Solomona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no loham-pianakaviana avy any ambanivohitra tonga nonina tao Jerosalema. Tany amin’ny tanànan’i Jodà, samy nonina teo amin’ny taniny aman-tanànany avy: dia i Israely, ny mpisorona sy ny Levita ary ny Natineanina mbamin’ny mpanompon’i Salômôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo lohandohany teo amin’ny faritany no niorim-ponenana tao Jerosalema; fa ny Israelita sarambabem-bahoaka, ny mpisorona sy ny levita, ireo mpanampy ny levita sy ireo taranaky ny mpanompon’i Salômôna dia samy tao amin’ny zarataniny aman-tanànany avy.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no ben'ny tany izay nonina tany Jerosalema; fa ny tao an-tanànan'ny Joda samy nonina tao amin'ny taniny avy, tao an-tanànany, dia ny Isiraely, ny mpisorona sy ny Levita sy ny Netinima ary ny taranaky ny mpanompon'i Solomona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no mpitondra ny fari-piadidiana izay nonina tany Jerosalema; fa ny tao an-tanànan’ny Joda dia samy nonina tao amin’ny taniny avy, tao an-tanànany, dia ny Israely, ny mpisorona, ny levita*, ny Netinima* ary ny taranaky ny mpanompon’i Solomona.
malagasy
Ary izao no ben'ny tany izay nonina tany Jerosalema; fa ny tao an-tanànan'ny Joda samy nonina tao amin'ny taniny avy, tao an-tanànany, dia ny Isiraely, ny mpisorona sy ny Levita sy ny Netinima ary ny taranaky ny mpanompon'i Solomona.